<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>671</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ao an-danitra
 Dia ho sambatra
 Izay tia ny Tompo atý !
 Malahelo izao,
 Ravoravo re, ao
 Amin-dRaintsika an-danitra
 arý.

[V2]
 Fahoriana
 Ao an-dalana,
 Fa iharan'ny zava-manjo ;
 Ao an-danitra re,
 Fiadanana be ;
 Mba hevero, ry havana ô !

[V3]
 Aza kivy ô,
 Ry fanahiko,
 Na dia maizina aza atý ;
 Vetivety izao
 Dia hody hianao
 Ao am-pahazavana arý.

[V4]
 Ry Mpanavotray,
 Indreto izahay
 Mpivahiny an-dalana izao ;
 Tsy tamana atý,
 Te-hifindra arý
 Ao an-danitra ao Aminao.</lyrics>
<title>Ao an-danitra dia ho sambatra FFPM671</title>
</song>